“MIAMBINA”

Eo am-piandrasana ny fiavian’ny Tompo isika dia asaina miambina. Inona moa no
tian’ny Tompo hambara amin’ny hoe ‘miambina’. Ny amin’izany indrindra no iarahantsika
mandrafitra eto.
1. Raha amin’ny heviny ankapobeny dia inona no atao hoe miambina?
-Miandry, mitily ny fahavalo, tsy matory na amin’ny alina tokony hatoriana aza, miaro
ny zavatra asaina ambesana, sns
2. Inona no mety hitrangana raha tsy manao tsara ny asa nasaina nataony ny
mpiambina (ohatra hoe matory izy)?
-Ho tafiditra ny mpangalatra, ho tezitra amin’io mpiambina io ny tompony ka
hanasazy na handroaka azy mihitsy, mety ho izy mihitsy koa aza no hovonoin’ny
mpangalatra
3. Araka ny fampianarana efa hitantsika hatreto dia ny Tompo Jeso Kristy no
maniraka hiambina. Iza no asaina miambina, nahoana?
-Ny Kristiana, izany hoe ny mpino an’i Jeso, no asaina miambina, satria izy ireo no
mahalala ny loza ho avy (tahaka an’i Noa).
-Miambina izy satria ho avy ny Tompony amin’ny ora sy fotoana tsy fantatra. Amin’io
fotoana io no hanadinany ny mpino ny amin’ny asa nankininy taminy
4. Inona no valisoa ho azon’izay miambina ary no loza mitatao amin’izay tsy
miambina
-Ho faly ny Tompo raha mahatratra ireo mpanompony eo am-piambenana raha avy
Izy, ka hanolotra ho azy ireo ny valisoa
-Hosaziny mafy kosa ireo tsy niambina
5. Inona avy no zavatra maneho fa miambina tokoa isika, eo am-piandrasana ny
fiavian’ny Tompo?
-Mitandro ny fifandraisana isanandro amin’Andriamanitra (Méditation)
-Mihevitra hatrany ny fiavian’ny Tompo ka mitondra tena tsara amin’ny fotoana
rehetra
-Mikely aina fatratra amin’ny asa fanompoana nankinin’ny Tompo hatao mandrapiaviny
-Sns
6. Amin’ny maha-Groupe Biblique antsika, tanisao ireo asa fanompoana nankinin’ny
Tompo tamintsika.
-Mitory amin’ny mpiara-mianatra, manofana araka izay tratra, modely amin’ny
fitondrantena
-Asa misiona : fitoriana any amin’ny faritra hafa, bénévole, fanatrehana sy fanoana
amin’ny alalan’ireo lasy isankarazany
-Fandraisana andraikitra amin’ireo fanohanana ny asan’Andriamanitra : souscription,
fanomezana na fampindramana fitaovana, fahafoizana fotoana, hery, …
7.Npikambana Groupe Biblique manao ahoana no hahazo sitraka amin’ny Tompo
raha ho avy eny amin’ny rahon’ny lanitra Izy ?
-Ny Groupe Biblique nilofo fatratra tamin’ny asa nankininy taminy noho ny finoana ao
anatiny
-Ny Groupe Biblique niaina tamim-pifandraisana tanteraka tamin’ny Tompony ka
niandrandra mafy ny fiaviany
– Groupe Biblique tsy renoky ny tory ka amin’ny fotoana hiavian’ny Tompony vao ho
taitra
8. Inona no fanamby horaisinao
FAMARANANA
Mitaky fifehezan-tena sy fifikirana tanteraka amin’Andriamanitra ny fiambenana.
Mbola misarika antsika hanota hatrany tokoa izao tontolo izao, mitady mandrakariva ny
hevitra hahavariana antsika amin’ny fiainana ety an-tany ny Devoly, mba tsy hahavitantsika
miambina. Ny fisainana mandrakariva an’io fiavian’ny Tompontsika amin’ny daty sy ora tsy
fantatra io no tokony hisarika antsika hiambina amin’ny fotoana rehetra. Miasa sy miambena
mandrakariva mba tsy ho tampoka aminao ny fiavian’ny Tompo
