Zanaka Manahaka an’Andriamanitra

Fifanakalozan-kevitra :
1.- Inona no atao hoe : « Manahaka olona iray » sy « Manahaka an’Andriamanitra » ?
* Manahaka an’i Baba = misy lafiny betsaka itovizana aminy, na endrika ivelany io (tarehy,
bika, tongotra, fomba fiakanjo, …), na fomba fanao sy toetra anaty (fomba fiteny masiaka be,
fihinam-bary, toetra malemy fanahy, sariaka, tia mandray vahiny, …)
* Manahaka an’Andriamanitra = misy toetra (vitsy na maro) itovizana Aminy fa tsy endrika
ivelany satria tsy hita maso Izy. Ny hoe : manahaka eto dia « mitovy fa tsy sahala » satria
misy toetran’Andriamanitra amin’ny maha- Andriamanitra Azy tsy azo alain-tahaka na
itovizana na rahoviana na rahoviana (Mpamorona = nanao zavatra avy amin’ny tsy misy,
Mpamonjy amin’ny fahotana, …).
2.- ‘Ndeha hovakiantsika ireto and-tSoratra Masina ireto dia sintony izay
toetran’Andriamanitra azontsika hanahafana Azy : Lev 19:2 ; Jao 14:12; Efes 4:31–5:2 ; 1 Tim 2:3–7;1 Jao 4:7–11
Masina = misaraka amin’ny ota na tsy miaina amin’ny ota
Toetra tia miasa, mamela heloka, tia ny hafa hovonjena, mifankatia na tia fihavanana, …
3.- Tsahivo aloha ny atao hoe : Zanak’Andriamanitra. Inona avy re no mety ho antony
tsy hahavitan’ny zanak’Andriamanitra manahaka Azy e ?
* Ny mahatonga ny olona iray ho « zanak’Andriamanitra » dia ny fandraisany fanapahankevitra mazava hamaly ny fitoriam-pitiavan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fibebahana sy
finoana :
Ny “mibebaka” sy mino” no toy ny “la clé sy poignet “ famohana ny varavaran’ny famonjena
hahatogavana ho zanak’Andriamanitra.
Mibebaka= miaiky fa mpanota, diso lalana sy diso tompo tsy niraharaha an’Andriamanitra,
ary tapa-kevitra fa hiova lalana sy Tompo (= manaiky an’i Kristy ho Tompo) Asa 17:30 ;
Rom 10:8-10
Mino = mampiditra ao anaty amin’ny fo izay zavatra itokiana, izany hoe :
– matoky fa Jeso Kristy no hany làlana tokana mahavonjy fa ts’isy hafa (Jao 14:6;
Asa 4:12)
– matoky fa ny ràn’i Kristy , latsaka teo amin’ny hazo fijaliana dia ampy hanadio ny
helony rehetra ka mahavonjy azy amin’ny fanamelohan’ny fahotana ( I Pet 1:18-19).
– matoky tanteraka fa Kristy no Mpamonjy azy tamin’ny fahotany lasa rehetra ary
mbola Mpamonjy azy amin’ny fiainany sisa manontolo (= mino an’i Kristy ho Mpamonjy).
Ny olona izay nibebaka sy mino no manana an’i Kristy ao anatiny (Kol 1:27) ka azo
antsoina amin’ny hoe : « Nandray an’i Jeso Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy eo amin’ny
fiainany » (Jao 1:12-13)
* Antony mety tsy hanahafany an’Andriamanitra : fitiavany an’izao tontolo izao (1 Jao 2:15–
17), ny fitiavan-tenany, …
4.- Inona tamin’ny ireo toetran’Andriamanitra ireo no tianao handraisana fanamby
mba hiainanao amin’ny sisa ?
Ohatra : – Manomboka anio dia havelako ny helok’i Anona izay tena nampalahelo ahy, ary
amin’ny sisa dia hazoto mamela ny helohy ny hafa aho
– Somary kamokamo fiasa aho hatramin’ny izay, fa hay toetran’Andriamanitra ny tia
asa, ka hazoto miasa sy mianatra amin’ny izay aho na ao an-trano na any ivelany
5.- Omeo izay hevitrao ny amin’ny ity fisainan’olona ity « Lany andro hanahaka
an’Andriamanitra eo kanefa tsisy tombotsoa akory »?
– Tsy hikatsahana tombotsoa akory ny fanahafana Azy
– Izay manahaka an’Andriamanitra dia manome voninahitra Azy, ary izay manome
voninahitra Azy dia omeny voninahitra ihany koa (= fitahiana amin’ny endriny samihafa
izany)
