Finoana Miasa

FAMPIDIRANA
Ataon’ny mpanomana
FAMELABELARANA
I. Ny finoana sy ny asa
– Aoka tsy hafangaro mihitsy ny toeran’ny finoana sy ny toeran’ny asa : Ny
finoana no mialoha ny asa, ary ny finoana dia tsy maintsy arahina asa rehefa avy eo
– Ny finoana no andraisantsika ny famonjena fa tsy ny asa velively sanatria (Efe
2:8). Mamadika ny asa srobidy nataon’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana isika raha toa ka ny
asa mbamin’ireo ezaka ataontsika no heverintsika hahazoana ny famonjena ny fanahintsika.
Ny asa n’i Kristy no miteraka ny finoana ao anatintsika ary izany finoantsika izany no
amonjena antsika. Ny finoana no hany zavatra tsy misy asa fa dia fanekena fotsiny tsotra
izao. Io no fomba tsotra indrindra kanefa dia hahazoana ny harena lehibe indrindra (fiainana
mandrakizay)
– Rehefa manaiky ny hino an’i Jesoa ianao, izany hoe hiaiky ny fahamarinana
voalazany fa mpanota very sy tafasaraka amin’Andriamanitra ianao ka mila famonjena ary ny
rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany ny fampihavanana anao tamin’Andriamanitra
(Heb 10:10), dia tonga ao aminaoi ny famonjena
– Rehefa voavonjy kosa ianao dia miasa, sartia hanohy ny asany no antony
mbola hametrahany anao ety an-tany mialoha ilay fotoana hiarahana manjaka aminy (Rom
8:17)
II. Finoana miasa
– Jak 2:14-25
Io tenin’Andriamanitra no ndeha horaisintsika :
– Maty ny finoana araha tsy misy asa, izany hoe ny finoana tsy arahina asa dia
finoana maty satria ny finoana dia manentana hiasa mandrakariva. Ny finoan’ny devoly no
tsy arahina asa fa hovitra no aterany
– Andriamanitra mihitsy no efa niantso ny mpino Azy hiasa, mametraka ao
anatiny ny asa ary manome azy ny hery hahavitany izany (ny herin’ny Fanahy Masina) (Efe
2.10)
– Porofo iray hamantarana ny tena fananan’ny olona iray ny finoana an’i Jesoa
Kristy ny filofosany amin’ny asan’Andriamanitra. Miasa izy satria voavonjy, fa tsy miasa mba
ho voavonjy
– Raha ampifandraisina izany izy dia azo lazaina hoe ny finoana no hamarinana
antsika eo imason’Andriamanitra, fanafahana an’ilay sazin’ny ota dia ny fahaverezana
mandrakizay, ary ny asa ataontsika kosa no manamarina ny finoantsika (ohatra i Abrahama
– andininy 21-24)
III. LESONA
– Raha tena nandray an’i Kristy tamin’ny finoana marina tokoa isika dia tsaraovy
fa tsy mamela antsika hipetrapetra-potsiny izany fa mitaona antsika hiasa, ary manome
anatsika asa
– Manjary miova tanteraka izao ny asanao : izay rehetra ataonao manomboka
izao dia ataonao ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra avokoa (Kol 3:17)
– Ny olona nandray ny finoana dia olona manatanteraka ny baikon’ilay inoany.
Baikoin’i Jesoa isika hiombona aminy (Jao 15), miraisa aminy isanandro amin’ny alalan’ny
tenin’Andriamanitra sy ny vavaka. Baikoiny isika hitory ny anarany (Mar 16:15), sahia ary
mijoro ho vavolombelon’ny Tompontsika; baikoiny isika hifankatia sy hifanompo (Jao 13:13,
14, 35)
– Mivonona hiasa ary mahereza satria nampanantena ny Tompo fa tsy hamela
antsika ho irery izy fa miaraka amintsika hatrany amin’ny asa anirahany antsika (Mat
28:20b), efa nomeny rahateo ny Fanahiny, honina ao anatintsika mba hampahery antsika
(Asa 1:8)
