ANDRIAMANITRA TELO IZAY IRAY
Zava-kendrena:
- Mba hahaizana manavaka ny Andriamanitry ny Kristiana manoloana ny andriamanitry ny Jentilisa.
- Hanoherana zay hevi-diso momba an’Andriamanitra.
Teny fampidirana:
Mametraka olana amin’ny olona sasany ny fanekena an’Andriamanitra ho “telo izay
iray”. Ny antokom-pivavahana sasany aza moa, toy ny Temoin de Jehovah, ohatra, dia tsy
mainky tsotra izao an’i Jesoa ho Andriamanitra. Amin’izy ireo dia tokana Andriamanitra, ary
Andriamanitra Ray irery ihany no azo ekena ho Andriamanitra. Marina tokoa fa tsy hita
mivantana ao amin’ny Soratra Masina ny teny hoe “Telo Izay Iray”, na ny hoe “Trinité”,
saingy asehony hatrany hatrany kosa fa tokana Andriamanitra ary misy Persona telo ao
aminy. Fampianarana mikasika izany maha Telo izay Iray an’Andriamanitra izany no
hirosoantsika izao.
Famoaboasana:
I- Andriamanitra iray ihany:
Tokana Andriamanitra ary Izy irery ihany no Andriamanitra (Eks 15:11, Zak 14:9)
izany no anisan’ny fahamarinana lehibe lazain’ny Testamenta Taloha (Deo 4:35, 39; Isa
45:5). Ao amin’ny Testamenta vaovao ihany koa, i Jeso Kristy dia nanamarina fa tokana
ihany Andriamanitra (Mar 12:24-32; Jao 17:3), ny Epistily koa dia manohana izany I Kor 8:4-
6; I Tim2:5 ; Jak 2:19. Tsy azo zarazaraina Andriamanitra, raha ny olona ohatra, dia ahitana
ny faritra hita maso (vatana) sy ny tsy hita maso (saina sy fanahy); Andriamanitra kosa dia
fanahy ary tsy misy fangarony.
a) Ny anaran’Andriamanitra
Sarobidy ny anaran’Andriamanitra satria maneho ny maha Izy Azy izany, sarotiny
mihitsy Andriamanitra ny amin’ny fanaovana tsinontsinona ny anarany (didy fahatelo Eks
20:7). Mba hampiavaka ny Andriamanitry ny Zanak’Israely amin’ireo andriamanitra maro
tompon’ny Jentilisa (polytheisme) dia Yaveh na Jehovah no iantsoany ny Andriamaniny,
anarana masina io (Eks 3:14). Io anarana io no niavian’ny hoe Jehovah-Salom
(Andriamanitry ny fiadanana Mpits 6:24); Jehovah-Rapha (Andriamanitra manasitrana Eks
15:26), sns… Elohim kosa no anarana iantsoany ilay Andriamanitra Mpahary (Gen 1) izay
nihavian’ny hoe El-Shaddai (Andriamanitra tsitoha Gen 17:1); El-Elion (Andriamanitra avo
indrindra Gen 14:18; El-Olam (Andriamanitra mandrakizay Gen 21:33) sns. Ny mpaminany
kosa miantso hoe “Ny Iray Masin’ny Israely” noho ny fahamasinan’Andriamanitra (Isa 1:4;
Eze 20:41)…
b) Ny toetran’Andriamanitra manokana (attribut)
Mandrakizay (Sal 90:2, Heb 9:14); mahalala ny zavatra rehetra (Jao 16:30; IKor
2:10); manerana ny toerana rehetra (Omniprésent Mat 18:20, 28:20); mahay ny zavatra
rehetra (Omniscient, tout puissant mat 19:26, Apok 1:8); masina (Jao 17:11, Asa 4:27);
Fanahy (Jao 4:24); Fitiavana (IJao 4:8, Gal 2:20); Mahitsy sy be famindrampo (Sal 136), …
Tokana Andriamanitra, saingy misy Persona telo ao aminy. Ny filazana ny fisian’ireo
Persona telo ireo no anisan’ny mampiavaka ny finoana kristiana amin’ny antokompivavahana hafa, satria misy ny milaza fa Persona tokana ihany Andriamanitra: ny Ray
ihany, hoy izy ireo, no nidina tety an-tany ka tonga Zanaka ary ny Zanaka indray no lasa
Fanahy Masina ka monina ao anatintsika. Tsy izany anefa no ambaran’ny Soratra Masina.
II- Andriamanitra Persona telo
Fifandraisana saro-pantarina, ary tsy voazavan’ny siansa, ny mikasika
an’Andriamanitra tokana kanefa miseho amin’ny endrika telo. Fanambarana
ntaon’Andriamanitra izany ary ekena amin’ny finoana.
Tsara marihina fa ‘Andriamanitra tokana Persona telo’ no resahina, fa tsy
‘Andriamanitra telo’ akory, izany hoe tsy samihafa akory ny toetra maha Andriamanitra azy
ireo fa iraisana.
Tsara ho fantatra ihany koa fa ny teny hoe Persona dia ilazana ireo fahasamihafana
eo amin’ny Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Samy manana ny maha Izy Azy ny tsirairay, ary
samy afaka nanao zavatra manokana (ohatra: ny zanaka no nifantsika teo amin’ny
hazofijaliana fa tsy ny Ray), samy nanana fahalalana (I Kor 2:11), samy nanana ny sitrapony
(I Kor 12:11), afaka nanana fifandraisana amin’ny persona hafa ivelan’ny tenany.
a) Ao amin’ny Testamenta Taloha.
– Na dia milaza ny tenany ho tokana aza Andriamanitra dia tsikaritra amin’ny
mpisolo tena ampiasainy sy ny anarany ny mariky ny fahamaroana (Pronons pluriels et Nom
pluriel). Ohatra: ny anarany hoe « Elohim » dia maneho fahamaroana. Ao amin’ny Gen.
1.26 ; 3.22 ; 11.7 ; Isa 6.8 dia mampiasa ny hoe « isika » Andriamanitra : maneho ny maha
Telo Izay Iray Azy izany
– Avahany ny Ray sy ny Zanaka : ambarany fa ny Ray no naniraka ny Zanaka
(Isa 48.16; Sal. 45.7; Sal. 2.7
– Avahany toy izany koa ny Ray sy ny Fanahy Masina (Gen. 1.1; Gen. 6.3;
Nom. 27.18; Isa 14.13
– Ny teny hoe “Anjelin’i Jehovah” dia nampiasain’ny Testamenta Taloha
hiantsoana an’ilay Persona faharoa (Jeso Kristy) (Gen. 22. 11, 12; Gen. 31. 11-13; Eks. 3.2-5)
b) Ao amin’ny Testamenta Vaovao
Mazava kokoa ny fanehoan’ny Testamenta Vaovao ny maha Telo Izay iray
an’Andriamanitra :
– Niseho ny maha Telo Izay iray an’Andriamanitra nandritra an’ilay fotoana
nanaovam-batisa an’i Jesoa (Mat. 3.16 sy ny manaraka) : ny Fanahy Masina nidina toy ny
voromahailala, ary ny Ray niteny avy any an-danitra
– Ao amin’ny Jao 14.16 : I Jesoa nivavaka tamin’ny Ray mba handefasany ny Fanahy
– Ny Mat 28.19 dia mibaiko ny fanaovam-batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny
Zanaka ary ny Fanahy Masina
– Miara-miasa ny Telo Izay Iray ao amin’ny 1 Kor 12. 4-6; Efe 1.3-14; 1 Pet 1:2, 3:18;
Apo 1:4 sy ny manaraka.
* Voalaza fa Andriamanitra ny Ray (Jao 6:27; Rom 1:7; Gal 1:1)
* Andriamanitra ihany koa ny Zanaka. Ananany avokoa ireo toetran’Andriamanitra
Ray (Jao 1:15; Jao 2:24, 5:19, Jao 17:5; Efes 1:23)
* Andriamanitra ny Fanahy Masina. Mitafy an’ireo toetran’Andriamanitra rehetra ihany
koa ny Fanahy Masina (Jao 3:5; 15:26; 16:14; 1 Kor 12:11; Heb 9:14; 1 Kor 2:10; Jao 14:26;
Lio 1:35; Eks 16:7; Sal 95:8-11; Heb 3:7-9; 2 Tim 3:16; 2 Pet 1:21; 2 Kor 3:17 sy ny
manaraka)
d) Fanamarihana momba ireo Persona telo
– Marihina fa na Iray ihany tokoa aza Ireo Persona Telo ao amin’Andriamanitra
dia samy manana ny maha izy Azy avy izy ireo : ny Ray no naniraka ny Zanaka ho ety
ambonin’ny tany hanao ny asa famonjena, ary ny Zanaka kosa ny naniraka ny Fanahy
Masina hanohy ny asany ao anatin’ny mpino (Jao 14:16)
– Tsy azo sarahina mihitsy ko anefa izy ireo ka ho lasa Andriamanitra telo
samihafa
– Mitovy toetra ireo Persona Telo : samy maharitra mandrakizay, mitovy hery sy
voninahitra, saingy tamim-panetren-tena no nankatoavan’ny Zanaka ny Ray (Fil 2:5-7)
– Samy manana ny anjara asany avy ireo Persona telo ao amin’Andriamanitra :
ny Ray nanao ny asa fahariana, ny Zanaka namonjy ny voary noarina nalavon’i Satana, ny
Fanahy Masina manataneraka ny asa fanavaozana an’io voary lavo io.
Marina tokoa fa sarotra be ny haneken’ny saina an’izany hoe Andriamanitra tokana
kanefa miseho amin’ny endrika telo. Tsy voazavan’ny siansa velively izany, fa raisina
amin’ny finoana tsotra izao. Andriamanitra mahery ny Aatry ny kristiana, Andriamanitra tsy
takatry ny saina, Andriamanitra mahagaga !
Famaranana
Ilaina ny fahafantarana fa tokana Andriamanitra kanefa miseho amin’ny endrika telo,
izay samy manana ny maha Izy azy avy, ary samy manana ny anjara asany avy.
Andriamanitra Ray no nanao ny asa fahariana. Rehefa nosimbain’i Satana anefa io asa
fahariana nataon’Andriamanitra io dia Izy Andriamanitra ihany no niditra an-tsehatra namonjy
azy. Niseho ho endrika olombelona tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Andriamanitra, ary tao
amin’i Jesoa Kristy ilay Andriamanitra tonga nofo no tanteraka ny asa famonjena ny
olombelona sy ny voary manontolo.I Jesoa no Ilay nantsoina hoe Andriamanitra Zanaka, Izy
no Persona faharoa ao amin’ny “trinité”. Rehefa vitan’i Jesoa ny asa famonjena ka hiverina
any amin’Ilay Andriamanitra Ray izay naniraka azy Azy, dia tsy navelany ho irery isika fa
nirahiny indray ny Fanahy Masina hiara-honina amintsika. Ny Fanahy Masina no Ilay
Persona fahatelo ao amin’Andriamanitra tokana. Koa aza ho anisan’izay tsy mino ny maha
Telo Izay Iray an’Andriamanitra! Ekeo amin’ny finoana izany

