Efe 2.1-10 Ny hasarobidin’ny famonjena

MIKARAKARA-SAKAFO-2-CN6-UNION-DES-GROUPES-BIBLIQUES-DE-MADAGASCAR

Zava-kendrena

– Hahafantaran’ny mino ny hasarobidin’ny famonjena.
– Mba hanome lanja ny toerana ametrahan’Andriamanitra ny mino Azy.

Fampidirana

Maro ny Kristiana no tsy dia mihevitra sy misaintsaina lalina ny amin’ny fomba
namonjen’Andriamanitra azy, hany ka tsy tena mahalala ny lanjan’izany.
Indrindra raha olona efa notaizana tao amin’ny fiangonana ka efa zatra mandre ny
filazantsara, dia toa zary hay tsianjery ny lalam-pamonjena fa tsy tena tsapa ny lanjany.
Amin’ity teksta ity ary dia hiara-hisaintsaina ny amin’ny halehibe sy ny hasarobin’ny
famonjena nataon’Andriamanitra ho antsika isika.

Kaonteksta

Ao anatin’ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Efesiana ity teksta ity. Tsy natao ho
an’ny Efesiana irery izany taratasy izany fa taratasy nalefa nandehandeha nitety fiangonana
hafa koa. Ny jentilisa (tsy jiosy) izay tonga Kristiana no tena nanoratana ny taratasy. Boky
ampahatsiarovan’i Paoly ny amin’ny famonjena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny
fitondrantena mifanaraka amin’ny fiainan’ny mino ary fampaherezana samihafa mba
hahazoana miaina sy miorina ao amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Teny sarotra

Andininy 2 – tsi-fanarahana : fanoherana na fandavana izay atoro na baiko omena.
Andininy 3 – danin’ny nofo : izay sitrapon’ny nofo rehetra, izay mahafaly ny nofo.
Andininy 4 – famindrampo : tsi-famaliana izay hadisoana vita araka izay famaizana tokony
hihAndriamanitra.
Andininy 5 – fahasoavana : fanomezana ny soa ho an’ny olona izay tsy mendrika hotolorana
izany.
Andininy 6 – fahamoram-panahy : tsi-fanehoana fahasiahana.
Fanadihadiana

I – Andininy 1-2 : Ny toetry ny Efesiana fahiny (talohan’ny nahavoavonjy azyireo).

1- Ahoana no filazan’i Paoly an’ireto Efesiana ireto fahiny ?
Andininy 1: maty : noho ny fahadisoana sy ny fahotana.
– Manao ahoana kosa izy ankehitriny ? – Efa novelomina.
2- Inona no nahatonga azireo niaina tao anatin’izany fahafatesana izany ?
Andininy 2 : satria nanjakan’ny mpanjakan’izao tontolo izao, izay fanahy eny
amin’ny rivotra; dia i Satana izany (Efe 6:12).
3- Ahoana izany no azo iantsoana ny olona mbola tsy miaina ao amin’Andriamanitra
mihintsy ?
– “maty fahavelony” – velona sy mandehandeha ara-nofo saingy maty kosa
ara-panahy satria tafasaraka amin’Andriamanitra.

II – Andininy 3 : Ny toetry ny jiosy fahiny.

1- Hafa noho ny an’ny Efesiana ve ny fitondrantenan’ny jiosy fahiny ?
– tsia, tena mitovy : nandeha tamin’ny filan’ny nofo sy ny saina / zanaky ny
fahatezerana ihany koa. (Gal 5:19-21 ; Rom 1:18).
2- Afaka milaza ny tenantsika ho hafa noho ireo olona ireo ve isika ?
– Tsia : raha jerena ny fiainan’ny olona mbola tsy nandray ny famonjena dia tsy
misy valaka na mitovy tanteraka amin’ireo voatanisa ireo. (Rom 3:9, 23).
3- Inona koa izany no miandry ny tsy mino ?
– Ny fahatezeran’Andriamanitra (Rom 2:5-8)

III – Andininy 4-7 : Ny fiainana ao amin’i Kristy.

1- Inona avy no toetran’Andriamanitra voalaza eto ?
o andininy 4 : manan-karena famindrampo / be fitiavana
2- Inona no nataony ho an’ny Efesiana sy ny Jiosy noho izany toetrany izany ?
o andininy 5 : nahavelona azireo niaraka amin’i Kristy.
o andininy 6 : nanangana azireo ary nametraka azireo any an-danitra ao amin’i
Kristy.
3- Inona no zava-kendreny amin’izany ?
o andininy 7 : hanehoany ny haben’ny fahasoavany.
4- Ahoana izany no fomba namonjen’Andriamanitra ny mino ?
o Tamin’ny alalan’ny fahasoavany (andininy 5)
o Izay maneho ny fitiavana “Agape” : mamindra fo amin’izay tsy tokony
hamindrana fo / tia izay tsy tokony hotiavina / mamonjy izay tsy tokony hovonjena
– Izany rehetra izany dia tamin’ny alalan’i Kristy : tsy vitan’ny hoe namelona niaraka
amin’i Kristy fa mbola miaraka Aminy amin’ny fanjakan’ny lanitra ihany koa.

IV – Ny finoana mitondra ho amin’ny asa (andininy 8-10)

1 – Miankina amin’inona ny famonjena amin’ny fahasoavana ?
o miankina amin’ny finoana sy ny famonjen’Andriamanitra (andininy 8)
2 – Midika ho inona ny famonjena amin’ny fahasoavana ?
o Manambara izany fa tsy vonjena amin’ny alalan’ny asa ny olona (ary dia tsy
afaka mirehareha noho izany) fa vonjena amin’ny finoana fotsiny ihany (andininy 9).
3 – Inona no nokendren’Andriamanitra tamin’ny famoronana antsika ao amin’i Kristy ?
o Hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra.
4 – Ahoana no ahazoantsika miaina izany fiainan’ny olom-boavonjy amin’ny
fahasoavana izany ka ho afaka hanao asa tsara ?
o Tsy misy afa-tsy ny fandehanana amin’ny fitiavana ao amin’i Kristy (Efe 5:1-2;
15-17).

Famaranana

Tsy mendrika hahazo famonjena isika raha ny toetra maha-mpanota antsika;
kanefa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia tsy nihAndriamanitra tamintsika ny
fahatezerany sy ny fahafatesana (Rom 6:23) fa novelominy tao amin’i Kristy isika ary dia
miara-mipetraka Aminy ao an-danitra (izany hoe efa miaina sahady izany fiainana
mandrakizay izany – Rom 8:17; Rom 6:23). Koa dia tokony hitondratena mendrika araka
izany maha-mponin’ny lanitra antsika izany (Efe 4:22-24, Efe 5:8-11)