FIJOROANA VAVOLOMBELON’NY FIOVAM-PO

Zava-kendrena
Hahaizana manambara amin’ny fomba tsotra sy fohy nefa mazava ny fiovam-po
Fampidirana
Hofantarina aloha ny antony ilàna ny Fijoroana Vavolombelon’ny fiovam-po : – Kihondalana tsy maintsy handalovana raha ho any an-danitra ny fiovam-po, noho izany tsy
maintsy hainao ny manarina misy tokoa io toerana io ary nadalo teo ianao. Ny
vavolombelona rahateo dia izay mahita, mandre mahatsapa toe-javatra iray ary afaka
maneho ny marina momba izany. Raha olona eo amin’ny fitsarana dia olona afaka ny hilaza
ny marina, hanome porofo tsy azo lavina.
Ilaina ary ny manambara ny fiovam-po satria manambara ny fahamarinana antsoin’ny
Filazantsara sy ny herin’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainana izany ka nahatonga anao
hanaiky an’i Jesoa. Ary dia mitaona an’izay mihaino anao hamantatra ny tenany (aiza ho
aiza izy ?), mbola lavitra sa akaiky an’ilay kihon-dalana ? Fanomezan-toky an’izay
misalasala koa izany satria afaka manao izao fahagagana izao eo aminy koa ny Tompo.
DRAFITRA ARAHINA RAHA HANAO FIJOROANA VAVOLOMBELON’NY FIOVAMPO (FP)
A. – Fanambarana ny toerana nisy talohan’ny FP
B. – Zava-niseho, niainana, teo am-pisehoan’ny FP
C. – Ny vokatr’izany na ny sava-niseho taorian’ny FP
D. – Ny « Antso » ataonao miantefa any amin’ny mpihaino
A.- Fanambarana ny toerana nisy anao talohan’ny FP
1.- Lazao ny momba anao (se présenter)
- Ny anarana feno sy ny fiantsoana
- Ny fiaviana sy ny toeram-ponenana
- Ny fianarana na asa atao
2.- Inona no tena naha-izy azy anao taloha
- Ny fanabeazana azo sy ny fandresen-dahatra (zavatra tena tianao)
- Ny fomba niainana izany 1 Tim 1:13
- Ny toerana misy anao oharina amin’ny Filazantsara (Asa 8:5 ; Asa 26:20)
- Azo atao ny maneho ny vokatr’izany
Fanamarihana : Tandremo ny mamorona (mandainga)
B.- Zava-niseho sy niainanao teo am-pisehoan’ny FP
Ny tenanao no notantaraina teo aloha fa hatreto kosa dia ny asan’Andriamanitra teo
aminao no asongadina. Andriamanitraa no niasa ka :
nifidy anao tao anatin’ny maro
Niantefa taminao na henonao ny antson’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny :
toriteny, Etude Biblique, fotoam-bavaka, vaky boky kristiana
Fomba nadraisanao fanapahan-kevitra : fotoana (naharitra, vetivety) ; seho
goavana na tsotra
NB: Ilay secret-nareo sy i Jesoa avoaka : nitsangana tamin’ny appel ; tao an-trano
irery
D.- Ny vokatr’izany sy ny seho taorian’ny FP
– Ny fiovana dia tsy hoe lasa tsara be ianao ka misongadina fa manjary hafa
kely kosa. Lasa manana fisainana vaovao :
Tia mihaino Tenin’Andriamanitra ; sahy mitory an’i JK ; miova tanjona ; olombaovao (2 Kor 5:17) ; manana antoka ny amin’ny fiainana (2 Kor 5:17) ; manam-piadanana
satria voavela heloka (Mat 11:29)
E.- Ny antso atao avantana amin’ny mpihaino
Efe tonga tety tokoa i Jesoa hitady sy hamonjy ny very, tsy ny hitaona olona ho any
an-danitra ihany fa ny hanomana azy koa ho mendrika izany atao hoe zanak’Aa. Raha nety
tamiko izany dia hainy hatao aminao koa. Indro miantso anao ny Tompo manao hoe : Mat
11:28 ; Lio 10:9
Koa aza ela fa tongava miandry anao i Jesoa
FAMARANANA
Anisan’ny tondron’andraikitra nasain’i Jesoa hataon’ny mpianatra voalohany ny
fijoroana vavolombelona (Asa 1:8). Tsy azo hadinoina ny hafatr fara tampony toy izany.
Rehefa hanatanteraka azy ianao dia ny fiovam-ponao izay nahatonga anao ho tena
mpianatr’i Kristy no ambara voalohany. Tsy amin’ny toerana iray na indray mandeha monja
fa hatrany am-paran’ny tany ary amin’ny fotoana rehetra. Mila voafehy tsara ireo mba ho
masaka ny zavatra aroso. Mba tsy ho marina mitavozavoza fa handresy lahatra kosa. Dia ho
tonga mpianatra ny firenena rehetra.
