Finoana Mafy Orina

FAMPIDIRANA
Ataon’ny mpanomana
FAMELABELARANA
I.- Inona no atao hoe ‘finoana’ ?
– Heb 11:1 :
“Fahatokiana ny zavatra antenaina”, izany hoe tsy misy ny finoana raha tsy
misy ny zavatra antenaina, zavatra tsy mbola hitan’ny maso. Tsy finoana intsony ny finoana
raha toa ka zavatra efa hita no inoana. Fahatokiana, izany hoe azo antoka tanateraka fa ho
azo ilay zavatra tsy mbola hita, mbola andrandraina
“Fanehoana ny zavatra tsy hita”, izany ny hoe ny finoana no porofo
anamarinana fa tsy mametraka fanahiana na dia kely akory aza ny amin’ilay zavatra
antenainao ianao
Imbetsaka no nanazavan’i Jesoa ny amin’ny atao hoe finoana tamin’ny alalan’ireo
asa fahagagana nataony :
Mar 10:52 : tarafo tamin’izay nataon’i Bartimeo ny atao hoe finoana (anjarnao
mpanomana ny manazava azy)
Mat 15:28 : tarafo amin’ny fihetsika nataon’ilay vehivavy kananita ny atao hoe
finoana
Mar 5:34 : tarafo amin’ny fihetsika nataon’ilay vehivavy narary 12 taona ny
atao hoe finoana
Raha fehezina izany ny atao hoe finoana dia fandresen-dahatra any anaty lalina any izay mitarika hetsika tsy hay tohaina, vakatry ny fahalalana olona na zavatra iray. Ny finoana an’i Jesoa no resahina eto. Ny finoana an’i Jesoa dia tsy inona fa fiaikena tanteraka ny maha-Izy Azy, ny asa vitany, ny fahefany ka fifikirana aminy tanteraka Inona moa no fantatra ny amin’i Jesoa : Mpamonjy Izy (Mat 1:21), Izy no lalana mankany amin’Andriamanitra (Jaona 14.6), ny anarany no ahazoana famelan-keloka (Asa 2:38), Izy no natokan’Andriamanitra ho mpitsara (Jao 5:21-23), Izy no manana ny fiainana mandrakizay (Jao 11:25-26), …
Tsy an-tendro-molotra fotsiny ny finoana fa raha finoana an-tendro-molotra ihany dia toy ny finoan’ny devoly (Jak 2:19), ny tena finoana marina dia finoana arahina asa tahaka ny
hitansika tamin’ireo andinin-tSoratra Masina voatanisa teo aloha.
II. Finoana mafy orina :
– Ny finoana no dingana voalohany amin’ny lalam-pamonjena. Ny finoana no
manamarika ny fiovana ho amina fiainam-baovao. Nilaozany ilay iray taloha, maty tamin’ilay
fiainany iray taloha izy, ary miditra amina fiainana vaoao (Rom 6:11).
– Ny tena finoana marina dia tsy miala intsony amin’izay efa nekeny, no sady
tsy mihemotra fa mandroso ho amin’ny dingana ambony kokoa hatrany (Efe 5:1 = misy
fandrosoana hatrany hatrany, miha-manahaka hatrany an’i Kristy)
– Aorian’ny fahazoanao an’ilay finoana vao afaka ny hanamafy orina azy ianao.
NB: hazavaina ihany fa ilay dingan’ny finoana voalohany dia ilay fandraisana ny
famonjen’i Kristy (Efe.2:8). Io no fototra iorenan’ny sisa rehetra.
– Iombonan’ny krsitiana rehetra io finoana dingana voalohany io ary mitovy ny
vokany amin’izay rehetra miroso aminy : famonjena, manana fiainana mandrakizay izay
rehetra nandray an’i Jesoa tamin’ny alalan’ny finoana (Jao 1:12).
– Samihafa kosa ny halalin’ny finoana ao min’ireo zanak’Andriamanitra tsirairay
avy. Ny tanjona anefa dia ny hahanantsika finoana mafy orina.
Rahoviana ny finoantsika no atao hoe mafy orina ?
– Rehefa tsy mora voahozongozon’ny onjam-piainana : fahoriana, tsy fisiana,
tsy fahazoana an’izay irina, fahantrana, harenabe, aretina, ireo tsy fahombiazana
isankarazany, …
– Mafy orina ny finoantsika raha toa ka tsy misy mahasaraka antsika amin’ny
fitivan’i Kristy antsika ireny zava-mitranga isankarazany izany (Rom 8:35)
Inona no hatao mba hananana finoana mafy orina ?
– Mibanjina an’i Kristy tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izany hoe
mampifantoka ny fanantenana manontolo ho amin’i Kristy (Kol 3:1-4)
– Misaina mandrakariva ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra, tsarovy ny torana
nisy anao taloha sy ny halafon’ny nisintonana anao avy ao (1 Pet 1:18, 20)
– Manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina (Rom 8:14)
– Miantoraka amin’Andriamanitra avy hatrany ao anatin’ireo ady sarotra (Jao 15), tsy mahefa na inona na inona isika rehetra misaraka amin’Andriamanitra
FEHINY
Rehefa niroso tamin’ilay dingan’ny finoana ianao ka nahazo famonjena dia aza
mijanona eo fa mandrosoa. Eo mandrakariva ny herin’Andriamanitra manampy anao, dia ny
Fanahy Masina izay efa nomena anao raha efa nandray an’i Jesoa Kristy marina tokoa
ianao, kanefa dia misy koa ny ezaka tsy maintsy takina aminao mba hivoaka mamirapiratra
toy ny voalamena voasedra ianao amin’ny andro hiavian’ny Tompo
