I Jesoa Kristy ao amin’ny Testameta Taloha

Jesoa Kristy ao amin'ny Testamenta Taloha

ZAVA-KENDRENA

Ahitana fa zavatra iray ihany no ambaran’ny Baiboly ao amin’ny Testamenta taloha
dia i.Jesoa Kristy.

FAMPIDIRANA

Mizara roa lehibe ny Baiboly, dia ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Samy
tsindrimandrin’Andriamanitra avokoa ireo fanekena roa ireo (IITim.3.16): Venti-kevitra iray ihany
no asongadiny, dia ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Ny Testamenta taloha dia efa naneho sy nanambara an’i Jesoa tamin’ny alalan’ny
tandindona (2) sy ny faminaniana maro. Ny Testamenta Vaovao dia maneho ny
fahatanterahan’izany. I Jesoa Kristy mihitsy no milaza fa maro ny teny manambara Azy ao
amin’ny Soratra Masina (Lio.24.27; Jao.5:39), izay tsy inona fa ny Testamenta Taloha tamin’ny
androny. Santionany amin’ireo tandindona sy faminaniana ireo no asehontsika eto araka ny
fizarana efatry ny Testamenta Taloha.

FAMELABELARANA:

I- I Jesoa Kristy ao amin’ny bokin’ny lalàna, na Pentatioka

1- Raha vao lavo ny olombelona dia efa nampanantena Mpamonjy ho azy sahady
Andriamanitra: Ny taranaky ny vehivavy hanorotoro ny menarana fahavalony
(Gen.3:15). I Jesoa no ilay nateraky ny vehivavy handresy an’i Satana.
2- Ny faneken’i Abrahama hanolotra ny zanany, i Isaka, hatao fanatitra (Gen.22) dia
tandindon’ny:
– fanomezan’Andriamanitra ny Zanany lahitokana ho an’izao tontolo izao (Jao.3:16).
– fanoloran’i Jesoa ny Tenany ho faty teo amin’ny hazofijaliana.
– fananganan’Andriamanitra an’i Jesoa tamin’ny maty.
3- Ny lalàna izay manana toerana lehibe eo amin’ny Pentatioka dia nampianatra ny olona
hanaiky an’i Kristy (Gal.3:24).
4- Tandindon’i Jesoa Kristy ny zanak’ondry tsy misy kilema novonoina tamin’ny Paska
tany Egypta. Ny rà natentina tamin’ny tolàm-baravarana dia tandindon’ny rà izay
nanavotany antsika (Eks.12:5-7)
5- Ilay menarana varahina: Jesoa nasandratra tamin’ny hazo fijaliana (Jao.3:14; Nom.2:4-9).
6- I Jesoa Kristy no Mpisoronabe izay nanatitra ny Tenany sy nanolotra ny rany indray
mandeha monja, nisolo tanteraka ny asa fanaon’ny mpisoronabe indray mandeha isantaona (Heb.9:11-12 ; 9:25-26) (3).

II– I Jesoa Kristy ao amin’ny boky tantara

1- Misy faminaniana lehibe ao amin’ny (II Sam.7:12-14). Naniry hanao tempoly ho
an’Andriamanitra i Davida mpanjaka. Nosakanan’Andriamanitra anefa izy. Ny zanak’ i
Davida no handimby azy ka hanao ny trano.
– I Jesoa no ilay zanak’i Davida Mpanjaka mandrakizay (Lio.1:32-33)
– Izy no milaza ny tenany ho Tempolin’Andriamanitra (Jao.2:19-21).
2- Ny bokin’i Rota izay mitantara momba ny razamben’i Jesoa Kristy ara-nofo (Rota.4:18-
22).
3- Ny fanirahan’Andriamanitra mpitsara hamonjy ny Zanak’Isiraely na dia ratsy teo
anatrehany aza izy.
4- Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy, Mpitsara marina, hamonjy izao tontolo izao mpanota
mandeha araka ny sitrapony, fa tsy mba araka ny an’Andriamanitra, ka malaky mivily.

III- I Jesoa Kristy ao amin’ny boky fahendrena

1- Ny Salamo dia mirakitra faminaniana sy fanambarana betsaka momba an’i Jesoa Kristy.
Ohatra: Vavaka fitalahoana hataon’i Jesoa Kristy manoloan’ny fampijaliana hataon’ny
olona Aminy (Sal.69:21).
2- Ny Tononkiran’i Solomona dia mampiseho ny fifankatiavan’i Kristy sy ny Fiangonana
amin’ny alalan’ny tantaran’ilay mpiandry ondry sy ilay vehivavy Solemita (Ton.2:16).
3- I Joba, na dia tao anatin’ny fizahan-toetra aza, dia nino fa hitsangana amin’ny maty ny
Mpanavotra azy: i Jesoa Kristy (Joba.19.25)
4- Ny fahendrena voalaza ao amin’ny Ohab.8:22-36 dia azo lazaina ho fanambarana an’i
Jesoa Kristy.

IV- I Jesoa Kristy ao amin’ny boky faminaniana

I Jesoa Kristy no Ilay Mpaminany lehibe avy amin’i Jehovah (Deo.18:18).
1- Ny hahaterahany
* Ao Betlehema (Mika 5.1)
* Hateraky ny virijiny (Isa.7:14)
2- Ny hiakarany any Jerosalema mitaingina zana-boriky (Zak.9:9)
3- Ny fijaliana sy ny fahafatesany hanatanteraka ny famonjena (Isa.52:12-53).
4- Ny fahitan’i Daniela mikasika ny fanambarana ny endrik’Ilay any an-danitra, mitondra
ny anarana hoe Zanak’olona, dia tsy iza fa i Jesoa Kristy (Dan.7:13-14) izay manana
ny fanapahana mandrakizay sy ny fanjakana tsy ho rava.
5- Ilay akanjo maloto, endriky ny fahotana notafian’i Josoa niampangan’ny devoly azy, dia
nalain’i Jesoa Ilay Anjelin’i Jehovah, ka nosoloiny vaovao, dia ny famonjena (Zak.3:3-5
; Rom.13:14).

FAMARANANA

Rehefa mamaky ny Testamenta Taloha isika dia tsy tokony ho variana amin’ny
lalàna, ny tantara sy ny poezia, ary ny fitsipi-pitondran-tena (morale), fa hibanjina ny zavatra
fonosiny mikasika an’i Jesoa Kristy.
I Jesoa Kristy no voatendrin’Andriamanitra hamonjy sy hanavotra an’izao tontolo izao.
Mibaribary amin’ireo fanadihadiana ireo fa izy irery ihany no hany làlana tokana ahazoana
famonjena. Efa ela no nikasàn’Andriamanitra izany. Voaporofo mazava ao amin’ny Testamenta
Vaovao avokoa ny fahatanterahan’ireny teny fikasana ny amin’i Jesoa Kristy ireny.
Noho izany dia tsy misy tokony hisalasalana handray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy
Mpamonjy anao manokana, satria efa nataon’Andriamanitra ho anao Izy. I Jesoa no tsy miova
omaly sy anio ary ho mandrakizay (Heb.13:8).

FANONTANIANA

1- Toerana manao ahoana no nametrahanao an’i Jesoa Kristy araka ny fandinihanao
ny Testamenta Taloha hatramin’izay ?
2- Manomeza ohatra iray tandindon’i Jesoa Kristy isak’ireo fizarana lehibe ao amin’ny
Testamenta Taloha.
3- Inona ny toetran’Andriamanitra misongadina indrindra araka ny hita ao amin’ireo
fanadihadiana ireo?
4- Mety hitarika inona amintsika ny tsy fahafantarana ny toeran’i Jesoa Kristy ao
amin’ny Testamenta Taloha.

BOKY TSARA VAKINA
– Fantatro izay inoako – K.Wisloff
– Ny tantaran’i Josefa : tandindon’i Jesoa Kristy – Maison d’Edition UGBM

FANAMARIHANA

(1) Tsara ny mamaky ny lesona momba ny Testamenta Taloha indray mijery vao manao
an’ity lesona ity.
(2) Ny antsoina hoe tandindona eto dia tsy inona fa aloky ny zavatra ho avy, tanteraka
ao amin’i Kristy. (Heb.10:1).