Kristy Mpanafaka

DRAFITRA
I.- Ny Kristy
II.- Ny asa fanafahana nataon’ny Kristy
III.- Iza no olona afaka ?
FANADIHADIANA
I.- Ny Kristy
– Anarana iombonana io hoe ny Kristy io fa tsy anaran-tsamirery
nasalotra olona anankiray, toy ny hoe Rabe na Rakoto akory
– Avy amin’ny teny grika hoe Khristos izy io, izay midika hoe Mesia
amin’ny teny hebreo (tenin-dry zareo jiosy izany)
– Io anarana hoe Kristy io teo amin’ny hebreo (na ireo jiosy) dia anaramboninahitra nasalotra ny olona izay voatendrin’Andriamanitra. Nitana anjara asa telo
ny olona natsoina ho ny Kristy : sady mpanjaka izy, no mpisorona, no mpaminany.
Niandrandra an’ilay Kristy voatendrin’Andriamanitra ho mpanafaka azy ireo tamin’ny
fanandevozan’ny hafa firenena ny firenena jiosy tao amin’ny testamenta taloha (Mal
3:1-3). Tonga soa aman-tsara io Kristy nampanantenaina io tao amin’ny testamenta
vaovao
– Io anarana hoe Kristy io no natao fanampin’ny anaran’i Jesoa.
Nasehon’i Jesoa io maha kristy Azy nandritra ny teny notoriny sy ny asa mahagaga
nataony tety an-tany (Jao 4:25, 28-29)
– Koa satria nantsoina ho ny Kristy i Jesoa dia nitambatra tao aminy
izany ireo anjara asa fototra anankitelo sahanin’ny Kristy : sady mpanjaka Izy no
mpisorona no mpaminany
*Mpanjaka i Jesoa : Ny tenany no nilaza izany raha nanontanian’i Pilato izy (Jao
18:33-38). Andriamanitra no nanolotra ny tehim-panjakana ho eo an-tanan’i Jesoa.
Mpanjaka ambonin’ny mpanjaka rehetra i Jesoa. Azy ny fahefana rehetra any an-danitra
sy ety an-tany (Mat 28:18). Mpanjaka ao an-danitra i Jesoa (Apo 19:6). Izao tontolo izao
dia ho rava sy ho levona, isika olombelona tsy maintsy handalo fahafatesana; tsy maintsy
handalo hotsaraina eo anatrehan’io mpanjaka io isika olombelona tsirairay avy. Hiarapaly ao amin’ny fanjakany isika raha nanao izay nahafaly Azy nandritra ny andrompiainantsika tety an-tany.
*Mpisorona i Jesoa : nanana anjara toerana goavana teo amin’ny sehatry ny
fifandraisan’ny olona amain’Andriamanitra ny mpisorona teo amin’ny Isiraely. Izy no hany
mahazo alalana hiditra ao amin’ilay antsoina hoe efitra masina indrindra tao amin’ny
tempoly (tao no toerana nahitana an’Andriamanitra sy nahazoana nifampiresaka taminy).
Miditra ao izy mitondra ny biby hatolotra ho sorona nentin’ny olona anankiray nanota,
mba hahafahan’ny otany ka ialan’ny fahatezeran’Andriamanitra aminy. Ny hebreo 4.15 –
toko 5 no manazava amintsika ny maha hafakely ny asa fisoronana nataon’i Kristy ho
antsika (aoka hamaky izany ny mpanomana an’izao fampianrnaa izao ka hitsimpona
an’ireo lesona mikasika izany). Sady nanolotra ny tenany ho toy ny biby natao sorona teo
amin’ny hazofijaliana i Jesoa no toy ny mpisorona nanolotra ny fanatitra ho
an’Andriamanitra.
*Mpaminany i Jesoa : ireo mampianany no olona nampahafantarin’Andriamanitra
mialoha ny zavatra hataony ka nampiasainy hampita izany amin’ny olona tiany
handefasana ny hafatra. Tanteraka tao amin’i Jesoa ny faminanian’ireo mpaminany
mikasika an’izay hanjo ny Mesia (vakio, ohatra, ny Isaia 53); kanefa dia tena hita mihitsy
tao amin’i Jesoa koa ny fahaizana mamantatra ny am-po tsy miloaky ny olona sy ny
filazana mialoha an’izay zavatra tsy mbla mitranga akory (jereo, ohatra ny Jao 13:21, 33,
37-38; Mar 9:30-32; sns)
II.- Ny asa fanafahana nataon’ny Kristy
Araka ny voalaza antsika teo ambony dia niandrandra an’ilay Kristy
hirahin’Andriamanitra ahanfaka azy ny vahoaka Isiraely. Ahoana ary no nanatanterahan’i Jesoa an’ilay asa fanafahana.
-Mpanafaka ara-politika no nandrandrain’ny jiosy ho azo. Nijaly loatra mantsy izy
ireo teo ambany fifehezan’ny fanjakana Romana (mbola teo ambany fifehezan’ny
fanjakana romana ny jiosy nandritra an’ireo tantara notantaraina tao amin’ny
filazantsara). Nanantena izy ireo hoe handefa olona matanjaka be avy an-danitra
Andriamanitra hiady amin’ny romana ka handresy azy ireo dia hiadana amin’izay ny vahoaka isiraely
-Tsy araka ny nampoizina anefa ny fomba nandefasan’Andriamanitra an’ilay
Kristy voaomany hanafaka : avy amina tanàna kely no nipoirany, tany an-tranon’omby no
nahaterahany, fianakaviana tsy dia manao ahoana loatra no nomena hitomboany (Mat
2:4b-6). Izany no antony tsy naneken’ny mpanora-dalana sy ny fariseo mbamin’ny
mpisoronabe hatramin’ny farany ny filazan’i Jesoa ny tenany ho Kristy, ka nanoloran’izy
ireo Azy tamin’ny romana hohomboana amin’ny hazofijaliana (Mar 14:61-64; Lio 23:35)
-Ankoatra izany tsy fanafahana ara-politika fotsiny araka ny nandrandrain’izy ireo
no nentin’i Jesoa fa fanafahana mihotra lavitra an’izany, dia ny fanafahana azy ireo
amin’ny herin’ny ota. Mahery lavitra noho ny fangejan’ny fanjakana romana mantsy ny
fangejan’ny ota. Ary ankoatra an’izany tsy famonjena ho an’ny jiosy ihany no nentin’i
Jesoa fa famonjena ho an’ny olombelona rehetra mihitsy (Jao 3:16)
-Ilay olana fototra mihitsy no tian’i Jesoa homontsanina, dia ny ota izany. Io ota io
mantsy no fanetribe nampisaraka ny olona tamin’Andriamanitra, ka nampiala azy tao
amin’ilay tontolo feno fahasambarana nametrahan’Andriamanitra azy (Gen 3). Tiany ny
hamerina indray an’ilay fifandraisana mahafinaritra nisy teo amin’Andriamanitra sy ny
olombelona (1 Pet 3:18)
-Koa satria ny fanafahana ny olona amin’ny fangejan’ny ota no tanjon’i Jesoa Ilay
Kristy dia tsy maintsy nizaka tao amin’ny tenany ny tamby takin’io ota io Izy. Voalaza fa
fahafatesana no tambin’ny ora (Rom 6:23). Ny fahafatesana mandrakizay no tondroina
amin’izany. Ny dikan’ny hoe fahafatesana dia tontolo tsy misy an’Andriamanitra,
tontolom-pijaliana amam-pahoriana
-Noho izany, tsy maintsy nitondra an’io fahoriana farany mangidy io i Jesoa. Tsy
maintsy nilanja ny “helo” tokony ho nentin’ny olombelona tsirairay avy noho ny ota
nataony Izy. Moa tsy helo sy afobe tokoa moa ve no niainan’i Jesoa raha teo ambonin’ny
hazofijaliana izy. Mariho fa tontolo tsy nisy an’Andriamanitra io satria nahafoy Azy
Andriamanitra Rainy (Mar 15:34b). Maizina ny tany aman-danitra satria tsy teo Ilay
Masoandro (Mar 15:33). Fahoriambe no nolanjain’i Jesoa teo : fangorohoroam-panahy,
fanaintainan’ny nofo, fo marary noho ny latsa nataon’izay rehetra nanantrika teo (Mar
15:29-32)
-Tsy tontosan’i Jesoa ny asa fanafahana raha tsy nizaka ny fahoriambe teo
amin’ny hazoijaliana Izy
-Ho mariky ny fandreseny an’ilay fahavalo niadiavany (ny ota izany) dia tsy
nijanona tao am-pasana Izy fa nitsangana niala tao. Toy ny hoe nifampitolona tamin’ny
devoly, na ny ota, mihitsy i Jesoa nandritra an’ilay fotoanan’ny hazofijaliana sy ny naha
tao am-pasana Azy. Nitsangana tao Izy ho marika fa lavony ny Devoly sy ny ota (Mar
16:6)
III.- Iza àry no olona afaka ?
-Tsy hoe satria efa nitondra ny fanafahana ny olombelona rehetra teo amin’ny
hazofijaliana i Jesoa Kristy dia ho voavonjy ho azy daholo ny olona rehetra. Tsia !
Nomen’Andriamanitra safidy ny olona tsirairay : te hijanona amin’izao fanandevozan’ny
ota misy anao izao ve ianao ka handova helo aorian’ny fahafatesana, sa te handray ny
aza fanavotana tao amin’i Jesoa ilay Kristy, ka hiara-honina aminy ao amin’ny fanjakany
aorian’ny fahafatesana ? Efa toetran’Andriamanitra hatramin’ny voalohany io manome
fahalalahana ny olona hisafidy io izay tiany io. Andriamanitra tsy mba mpanery ny
Andriamanitry ny kristiana (Apo 3:20)
-Napetrak’Andriamanitra mazava tsara ny dingana tokony hataon’ny olona raha te
handray an’io fanafahana amin’i Kristy io izy :
*Voalohany, mila manaiky ny toerana misy azy eo anatrehan’Andriamanitra
izy. Araka ny ambaran’Andriamanitra ao amin’ny teniny dia mpanota avokoa ny
olombelona rehetra hany ka tafasaraka amin’Andriamanitra izy. Ny fahaverezana
mandrakizay no miandry azy aorian’ny fahafatesana (Rom 3:10, 11)
*Faharoa, mila manaiky ny asa fanavotana nataon’i Kristy ho azy teo amin’ny
hazofijaliana izy. Ny dikan’izany dia mametraka ny tokiny manontolo amin’i Kristy izy ho
famonjena azy : izany hoe tsy misy na inona na inona azony atao intsony fa dia
miandrandra fotsiny an’io Kristy io hiady ho azy izy. Izany no antsoina hoe “mino an’i
Kristy” (Rom 10:9)
*Fahatelo, maneho amin’ny asa an’io finoana an’i Jesoa io, izany hoe manao ny sitrapony (ny famakiana sy ny fandinihana ny teniny no fomba tsara indrindra hamantarana ny sitrapon’Andriamanitra ka ilainany ahazotoana amin’izany), mitondra tena mifanaraka amin’izay takin’ny maha olon’Andriamanitra, manompo Azy amin’ny atao rehetra, mirotsaka mivantana amin’ny asa fanompoana (Jak 2:22)
Fehiny
Moa anisan’ny efa nandray an’io fanafahana tao amin’i Kristy io ve ianao ?
Fotoana mety handraisanao fanapahan-kevitra izao raha tsy mbola mahazo antoka ny amin’izany ianao. Tsy maintsy ho faty ianao na ho ela na ho haingana, ary ny fahafatesana tsy mba mampilaza. Homano dieny zao izay ho avinao aorian’ny fandaozanao ny tany. Aiza no handanianao ny mandrakizainao ? Raiso ny famonjena atolotr’i Jesoa ho anao, ary hiaino ho Azy ny andronao sisa.
