Ny Fanahy Masina sy ny Fiainam-baovao

Fampidirana
Izay rehetra nandray ny fanafahana tao amin’i Kristy no tonga ao amin’ny fiainana
vaovao (2 Kor 5:17). Niala tamin’ilay fiainana nisy azy teo aloha izy ary tonga amin’ny
fiainana vaovao. Maty tamin’ilay fiainana teo aloha izy ary teraka sy manomboka miaina,
miha-mitombo sy miha-lehibe, ao amin’ilay fiainana vaovao (Rom 6:11).
Ny zava-dehibe manavaka an’ilay fiainana teo aloha sy ity vaovao dia ny fananana ny
Fanahy Masina. Fanomezana omen’Andriamanitra an’ireo rehetra manaiky ny asa
famonjena nataon’i Kristy ka mandray ny Fanahy Masina.
Sarobidy be ny Fanahy Masina satria Andriamanitra Izy, ao amin’Andriamanitra, ary
Andriamanitra no hany afaka manome izany an’izay tiany homena azy. “Tsy azon’izao
tontolo izao raisina io satria tsy hitany na fantany” (Jao 14:17). Ireo mbola andevon’ny ota no
antsoina hoe izao tontolo izao, ireo tsy mbola nandray ny fanafahana tao amin’i Kristy.
Hery ny Fanahy Masina, hery omen’Andriamanitra (Jao 1:12). Io no hany hery
maharesy an’ilay hery manandevo teo aloha (ota). Mahery noho ny herin’ny ota ny herin’ny
Fanahy Masina satria Andriamanitra Izy.
Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mino
Nampanantena i Jesoa Kristy fa homeny an’ireo mino sy manaiky Azy ny Fanahy
Masina. Io Fanahy Masina io dia :
Honina ao anatin’ny mino (Jao 14:17); mpampionona (Jao 14:16); hampianatra azy
ary hampahatsiahy azy ny tenin’Andriamanitra (Jao 14:26); hampiaiky ny fahotana (Jao
16:8); hanolo-tsaina (16:8); hitari-dalana ho amin’ny marina rehetra; hihaino; hiteny;
hanambara (Jao 16.13); hanampy (Rom 8:26).
Ny vitsivitsy amin’ireo toetra ireo ary no ndeha hojerentsika misimisy kokoa.
I- Fanahy Masina mpampionona
Indimy no ilazan’i Jesoa ny Fanahy Masina ho mpampionona eo amin’ny Jao
14:16. Ny Fanahy Masina no mampitraka antsika amin’ny fandiavana an’ireo olana sy
fahakiviana isankarazany. Feheziny ny ratrantsika, fafany ny ranomasontsika. Izy no
mametraka ao am-pontsika an’ilay fampanantenana mahavelom-bolo nomen’i Jesoa ka
mahatonga antsika hahery hatrany (Rom 15:13; Fil 1:19; 1 Pet 4:14)
Izany no ataon’ny Fanahy Masina ao anatin’ny mpino tonga ao amin’ilay
fiainam-baovao. Mampitraka antsika ny Fanahy Masina hany ka tsy mba mamoy fo
tahaka ireo tsy mino isika rehefa tojo ady sy fahoriana
II- Mampianatra antsika ny Fanahy Masina
Vakio ny Jao 14:26 sy ny 16:13
Tsy ho takatry ny sain’olombelona na oviana na oviana ny fanambaran’ny
Tenin’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no manampy antsika hahazo izay ambarany (1
Kor 2:9-10). Tsy vitan’ny hoe manitsy fotsiny ihany ny hevi-dison’ny saintsika efa
simban’ny ota ny Fanahy Masina fa mampianatra antsika ihany koa ny fahamarinana (1
Jao 2:20-27 ny Fanahy Masina io hosotra nomena antsika io). Aoka tsy ho gaga isika
raha mahita mpivavaka maro mamaky ny Baiboly kanefa tsy mahazo na inona na inona
na tsy mahatakatra ny zavatra lazainy. Sarotra kokoa vao ho azonao ny lesona
ampitain’ny Baiboly raha tsy efa nandia ny fanahafana tao amin’i Kristy aloha ianao ka
mandray ny Fanahy Masina izay fanomezana omen’Andriamanitra maimaimpoana
an’ireo mandray an’i Kristy.
Ny lesona ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra ihany no ampianarin’ny Fanahy
Masina koa. “Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra”, hoy i Jesoa. Tsy
inona io marina io fa ny Tenin’Andriamanitra, “Ny teninao no fahamarinana” (Jao 16:13;
17:17). Averin’ny Tenin’Andriamanitra mandrakariva fa mitarika antsika ho amin’ny
marina rehetra ny Fanahy Masina, ary mampianatra antsika ny zavatra rehetra. Tsy
tian’Andriamanitra hijanona ao amin’ny tsy fahalalana isika. Aza kivy raha mamaky teny
avy ao amin’ny Baiboly ianao ka tsy azona ny tiany hambara, kanefa tena ilainao ny
hahalala izany, hohazavain’ny Fanahy Masina aminao miandalana eny ihany izany raha
manaiky ny fitarihany isika.
Tsy midika ho tsy filana intsony ny fampianaran’ireo olona nantsoin’Andriamanitra
ho amin’izany akory ny fananantsika ny Fanahy Masina (1 Jao 2:27). Vakio ny zavatra
lazain’i Paoly ao amin’ny Kol 3:16 sy ny 1 Tes 5:11.
Tsy voasoratra amin’ny antsipirihany ao amin’ny Baiboly akory ny zava-drehetra.
Ny Fanahy Masina izay ao anatintsika no hampianatra antsika ny tokony sy ny tsy tokony
hatao amin’ny fotoana rehetra, izy no hanampy antsika amin’ny fandraisana izay
fanapahan-kevitra tokony horaisintsika.
Rehefa mampianatra antsika ny fahamarinana ny Fanahy Masina dia Izy ihany
koa no mitarika antsika hibebaka rehefa manao fahadisoana isika.
III- Mitari-dalana antsika ny Fanahy Masina
Tsy vitan’ny hoe mampianatra antsika ny fahamarinana ihany ny Fanahy Masina
fa mitari-dalana antsika ihany koa Izy.
Miaraka amintsika mandrakariva ny Fanahy Masina. Tsy hoe handre feo miteny
amintsika akory isika, na hahita fahitana, na hahatsiaro zavatra hafahafa ao anatintsika.
Miasa amin’ny alalan’ny fandinihantsika ny Tenin’Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny
Tenin’Andriamanitra no itarih’ny Fanahy Masina lalana antsika.
Tsy voatery ho fahombiazana hatrany ny fitarihan-dalan’ny Fanahy Masina. Mety
ho tarihiny amin-javatra tsy tiantsika isika satria izay no lalan’Andriamanitra hahsoa
antsika, mety hoentiny amin’ny fahoriana isika (Asa 16:6-7). Lalana tsara hatrany no
itarihan’ny Fanahy Masina antsika na hafahafa aza no fahitantsik a izany matetika
(jereo koa ohatra ny Lio 4:1-2). Mivonona ihany koa ary hiatrika zava-tsarotra rehefa
miaraka amin’ny Fanahy Masina.
Henoy mandrakariva ny feon’ny Fanahy Masina amin’izay reheta hataonao.
Vakio ny Tenin’Adriamanitra ary mivavaha mandrakariva. Samihafa ny fomba fiasan’ny
Fanahy Masina sy ny fitarihany ny mpino tsairairay avy. Fantaro ny anao ary aza mitady
hanana ny an’ny hafa.
Fehiny
Hery lehibe nomen’Andriamanitra antsika ny Fanahy Masina. Meteza hihaino ny
feony, aza manao izay mampalahelo Azy (manao izay mampalahelo Azy isika rehefa
manota, rehefa tsy mihaino Azy fa manaraka ny feon’ny ota – tsarovy mbola ao
anatintsika ihany koa ny ota, hery roa no miady ao anatintsika !). Mitari-dalana antsika ny
Fanahy Masina amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra, ny vavaka, ary ny fanatonantsika
koa an’ireo zoky manana ny fahendrena avy amin’ny Fanahy.
