FANAMARINANA AMIN’NY ALALAN’NY FINOANA IRERY IHANY

ZAVA-KENDRENA
Fanazavana ny voalazan’ny Galatiana, Romana, Efesiana mikasika ny lalam-pamonjena.
FAMPIDIRANA
Tsy misy marina ny olombelona na dia iray aza, Andriamanitra anefa dia niantso antsika
hanatona Azy. Ahoana no fomba hanatonantsika Azy ? Mila fanamarinana isika vao afaka
manatona an’Andriamanitra satria masina Izy. Ahoana ary no ahazoana izany fanamarinana
izany?
FAMELABELARANA
A. Famaritana
I. Fanamarinana:
Lalàna amin’ny firenena maro ny fananan’ny filoham-pirenena zo hamotsotra olona iray
voaheloka ho faty ho afaka madiodio. Toy izany ny fanamarinan’Andriamanitra ny olona mpanota
mibebaka Aminy (Rom.3:24)
II. Finoana:
Ny finoana amin’ny ankapobeny dia fanekena ho marina ny zavatra re na dia tsy hita aza.
Ny finoana an’Andriamanitra dia ny fahatokiana tanteraka (Heb.11:1) izay ambaran’ ny
Tenin’Andriamanitra (Rom.10:17)
B. Hevi-diso mikasika ny fanamarinan’Andriamanitra
I. Fiezahana hanatanteraka ny lalàna
Maro ny olona miezaka ny hanatanteraka ny lalàna rehetra fa izany no heveriny ahazoana
sitraka amin’Andriamanitra. Ny Tenin’Andriamanitra anefa milaza fa tsy misy marina na dia iray aza
(Sal.14:1-3), ary raha vao diso amin’ny lalàna iray dia diso amin’izy rehetra (Jak.2:10)
II. Fiezahana amin’ny asa soa
Ao koa ny olona miezaka manao asa soa betsaka : tsy ny asa mihitsy anefa no
lazain’ Andriamanitra ahavonjy antsika fa mampirehareha antsika fotsiny izany (Efe.2:9). Eo
amin’ny fiainana andavan’andro dia hita fa mora mirona amin’ireo hevi-diso ireo ny olona
raha te hanatona an’Andriamanitra.
D. Ny fanamarinana araka ny Tenin’Andriamanitra
I. Amin’ny finoana
* Amin’ny alalan’ny finoana, ary ny finoana irery ihany no ahazoako fanamarinana
(Efe.2:8 ; Gal.3:6)
* Ny finoana an’i Jesoa Kristy no ahazoana fanamarinana (Rom.10:9-10 ; Rom.3:23-24)
II. Tsy amin’ny asa
* Tsy misy olona hamarinina amin’ny asan’ny lalàna (Rom.3:20-28)
* Tsy ny lalàna intsony no iezahana ahazoana fanamarinana fa raha manana ny finoana
isika dia mahafantatra ny lalàna koa (Heb.8:10)
* Tsy ny asa intsony no ahazoana fanamarinana fa vokatry ny finoana ny asa (Efe.2:10)
FAMPIHARANA
* Aoka isika hijery ny asa ataontsika na vokatry ny finoana izany na natao ahazoana
fanamarinana
* Aoka ho azonao antoka ny fanamarinan’Andriamanitra anao: rehefa miteny
Andriamanitra fa nohamarininy amin’ny finoana ianao dia aoka hatoky ianao fa efa
manao izany Izy.
* Raha manao asa betsaka eo anivon’ny fiangonana, na eo anivon’ny fiombonana
kristiana, misy anao ianao : tsarovy fa tsy ny hamaroan’ny asa ataonao no hitsaran’
Andriamanitra anao fa ny finoana ao anatinao (Rom.4 :4-8).
FAMARANANA
Mora mirona ho amin’ny fanarahan-dalana fotsiny! Tsy miraika amin’ny finoana, ny
olona. Ary mora kokoa io raha ny fijery ety ivelany.
Hitantsika teo fa araka ny Baiboly dia ny finoana no tokony ho loha laharana eo amin’ny
fanarahantsika an’Andriamanitra, ka Izy irery ihany no ahazoantsika fanamarinana.
FANONTANIANA
1) Mety mahazo sitraka amin’Andriamanitra ve ny olona na dia tsy mino aza ? (Jereo ny Heb.11:6)
2) Inona no antoka ahazoana milaza fa nohamarinin’Andriamanitra ianao ?
3) Nisy asa efa nataonao teo amin’ny sahan’ny Tompo, ohatra : nampianatra sekoly alahady, mikarakara lasy, inona no heverinao fa nanosika anao nanao izany ?
4) Inona no antony mahatonga ny olona hanao asa ilàny sitraka amin’ny olona, na amin’Andriamanitra ?
BOKY TSARA VAKINA
- Fantatro izay inoako – Karl Wisloff
- La Paix avec Dieu – Billy Graham
- L’Essentiel du Christianisme – John Stott
- Hevitenin’ny Galatiana – Maison d’Edition UGBM
- Hevitenin’ny Romana – Maison d’Edition UGBM
- Hevitenin’ny Efesiana – Maison d’Edition UGBM
